Vaivonto (original) (raw)
Vaivonto
Ny vaivonto dia fitambarana nana miangona ao anatin' ny tambatselan' ny vatana, matetika vokatry ny bakteria. Famantarana sy soritr' aretin' ny vaivonto ny hoditra mena, ny fanaintainana, ny hafanana ary ny fivontosana. Mahalana kokoa sy miforona miadana tsy misy fisehoany mamaivay ny vaivonto sasany (toberkolôzy, aretina vokatry ny holatra, sns.).
Mety ho miseho ho feno ranoka ilay fivontosana rehefa tsindriana. Miitatra mihoatra ny faritry ny fivontosana ny faritra misy mena matetika. Karazan' ny vaivonto ny kifongo (antraksa) sy ny vailahy, ary lehibe kokoa ny kifongo. Mitovitovy amin' ny vavonto ny kista, saingy misy ranoka hafa fa tsy nana, ary manana rindrina voafaritra mazava ny kista. Mety miforona anatin' ny taova sy aorian' ny fandidiana koa ny vaivonto.